Aller au contenu

François d'Assise

Avy amin'i Wikipedia
François d'Assise
Ankapobeny
Anarana François d'Assise
Teraka 26 Septambra 1182
Maty 3 Oktobra 1226
Fiaviana sy ny andraikitra
Asa :
Fiainana manokana

I François d'Assise dia relijiozy katôlika, diakra, mistika, ary mpanorina ny Fikambanan' ny Mpirahalahy Madinika izay atao amin' ny teny latina hoe Ordo Fratrum Minorum, na Ordre des Frères Mineurs amin' ny teny frantsay) tamin' ny taona 1210, izay miavaka noho ny fanoloran-tena ara-pivavahana ambony indrindra ataon' izy ireo ao amin' ny "fanarahana ny dian' i Kristy" (latina: sequela Christi) amin' ny vavaka, ny fifaliana, ny fahantrana, ny fitoriana ny Evanjely ary ny fitiavana ny Zavaboarin' Andriamanitra.

Amin' ny teny italiana ny anaran' ity relijiozy ity dia Francesco d'Assisi. Teraka tamin' ny 26 Septambra 1181 na 1182 tao Assisi (izay atao amin' ny teny frahtsay hoe Assise, ao Italia ankehitriny) izy ary nantsoina hoe Giovanni di Pietro Bernardone tamin' ny fahaterahany. Maty tamin' ny 3 Ôktôbra 1226 tao amin' io tanàna io ihany izy.

"Mpitaingin-tsoavalin' i Kristy" sy an' ny "Andriambavy Fahantrana" i Md François izay heverina ho anisan' ny olo-masina lehibe indrindra teo amin' ny tantaran' ny Eglizy: nitondra fiovana lehibe teo amin' ny kristianisma izy, ary haingana ny niantsoina azy hoe Alter Christus, "ilay Kristy hafa", taorian' ny nahafatesany. Araka ny lovantsofina katôlika dia izy no olo-masina voalohany teo amin' io tantara io izay inoana ho nahazo ny stigmata ("ratran' i Kristy").

I François d'Assise ihany koa dia heverina ho mpialoha lalana amin' ny fifampiresahana eo amin' ny samy fivavahana, indrindra amin' ny fifanakalozan-kevitra tamin' ny soltanan' i Ejipta Al-Kâmil, izay nokasainy hovana finoana ho amin' ny kristianisma tamin' ny fotoana niezahany hampitsahatra ny Kroazada fahadimy izy.

Na dia tsy izy aza no tena namorona ny fampisehoana an-tsehatra ny fahaterahan' i Jesoa, ​​​​dia ekena fa nohatsarainy ny endrik' izany, ka nahatonga azy io hifanaraka amin' ny zava-misy kokoa, ary nalaza be io fanao io tany Andrefana.

Tamin' ny taona 1228, roa taona monja taorian' ny nahafatesany, dia nambaran' ny papa Gregôrio IX amin' ny fomba ôfisialy ho olo-masina i François, i Antoine de Padoue (pôrtogey: Santo António de Padua) sy i Pierre de Vérone (italiana: Pietro da Verona) ihany no nambara ho olo-masina haingana kokoa noho izy taorian' ny fahafatesana.

Ankalazaina amin' ny 4 Ôktôbra araka ny kalandrie litorjika katôlika i François d'Assise. Voatendry ho olo-masina mpiaro an' i Italia miaraka amin' i Mb Catherine de Sienne (italiana: Caterina da Siena) izy, ary mifandray amin' ny fiahiana ny biby sy ny tontolo voajanahary. Ny asasoratra malaza indrindra momba ny fiainan' i Md Francois sy ny Fikambanana Fransiskana voalohany dia ilay mitondra ny lohateny hoe I Fioretti di san Francesco ("Ireo Voninkazo kelin' i Md François d'Assise").

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]

Rohy ivelany

[hanova | hanova ny fango]
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.